
Mantasoa : Excursion Inoubliable & Randonnée | Détente & Partage !
#EXCURSIONS #MANDA ANDRAMASINA EXCURSIONS ET RANDONNÉES À MANTASOA Andao hiaraka hitsangatsangana sy hiala voly e ! Rehefa avy niatrika ny rotoroto tamin’ny fianarana, fanadinana, fifaninanana sy Concours teto Antananarivo, dia fotoana izao hialana sasatra kely, hankafizana ny hakanton’ny natiora ary hiarahana mamorona fahatsiarovana mahafinaritra! Tsy fitsangatsanganana fotsiny ihany anefa ity, fa fotoana iray hanamafisana ny firaisankina, ny fihavanana, ny fifankafantarana ary ny fiombonana eo anivon’ny fikambanana MANDA. Isika mpianatra zanak’Andramasina, andao hifampitaona sy hiray hina! Lazao ny namana, antsoy ny namana, fa MANTASOA NO ALEHA ! Daty : Sabotsy 21 Novambra 2026 Toerana : Lac Mantasoa FISORATANA ANARANA
- Sabotsy 14 Novambra 2026 alohan'ny @12 alina .no fe-potoana farany fisoratana anarana ho an’ireo hiara-dia amin’ny fiara iombonana.
- Tsy maintsy misoratra anarana mialoha.
- Saran-dalana mandroso sy miverina : 17 000 Ar.
- Vary samy mitondra, fa ny laoka kosa dia karakarain’ny fikambanana. -Mitondrà argent de poche( momba ny visite, lakana,goûté,...) Misy kilalao hiraisana ihany koa Fandraisana anarana sy fandoavana vola : Sidonie Fanomezantsoa 038 91 822 66 Dialy Ramiarimalala 038 44 156 36 Miih Ras 034 18 99792 Mélanie Ranivoarisoa 038 46 454 42 Marihina fa miaraka amin’ny fisoratana anarana ny fandoavana ny saram-pitaterana mba hahafahana mandamina tsara ny dia. Momba ny fihaingana, raha fiara 2 dia Ankatso no fiaingana, raha mihoatra dia misy toerana hafa fanampiny. Ora : @5ora maraina mila tonga eo amin'ny fiara. @6 ora tsy maintsy miainga Miverina ny hariva ihany @3ora tolakandra miverina avy Mantasoa makaty Tana. Misaotra amin’ny fanarahana ny fandaminana. MANTASOA : FIALAM-BOLY, FIRAISANKINA, FIHAVANANA ! MANDA ANDRAMASINA Mandranto fianarana, mifamafy soa.
Inscrivez-vous
Inscrivez-vous
Ces offres peuvent aussi vous intéresser
Découvrez d'autres offres similaires

Inscrivez-vous et recevez des offres exceptionnelles
Trouvez votre vacance de rêve en quelques clicks



